lundi, octobre 30, 2006

Fiainan'ny "Prestataire" ao amin'ny SSII

Vao nahavita ny fianarana moa ny tena dia toy ny olon-drehetra: hitady asa amin'izay, asa mifandraika amin'ny diplaoma azo raha mety. Hay va re ka raharaha be izany mitady asa izany e. Tena asa be mihitsy. Tsy "évident" hoy ny vazaha.

Tamin'ny voalohany namaly offres d'emploi no nataoko, avy eo toa tsy dia nisy vokany, dia nanomboka nitety itony site d'embauche itony, ary nampiditra ny CV tany amin'izay azo nanampidirana rehetra. Ny niafarany moa dia nitety ny orin'asa tao amin'ny pagesjaunes mihitsy ary nandefa candidatures spontanées tsy tambo isaina.
Nanomboka nahazo téléphone tsikelikely ary aho, ary gaga aho fa ny fanontaniana voalohany dia hoe frantsay ve aho sa vahiny! Inona ary ny mahasamihafa an'izany hoy aho anakam-po, fianarana sy diplaoma mitovy izao ihany... "Malgache" hoy aho. Fa nony nanontany indray ilay olona hoe manana autorisation de travail ve, izay aho vao gaga hoe inona ary izany. Tsia moa ny valiny mazava ho azy. Dia tsy niantso ahy intsony izy avy eo. Teo aho vao nijery tamin'ny internet izany atao hoe autorisation de travail: ny vahiny dia tsy mahazo miasa raha tsy manana an'io, mila manao dossier be izay tohanan'ilay orin'asa handray ahy ary hangalana carte de séjour any amin'ny préfecture. Ankoatry zay dia mila mandoa vola be amin'ny fanjakana koa ilay orin'asa satria hampiasa vahiny fa tsy frantsay. Ny ahy moa fony izaho mpianatra dia ny Ecole daholo no nanao ny taratasy rehetra sy ny titre de séjour ka na ny endrik'izany préfecture izany aza tsy azoko an-tsaina akory. Mazava izany fa izay orin'asa vonona ny handray ahy sy hanamboatra ny taratasiko ary handoa ilay vola be ihany no afaka hiasako. Vao maika nihasarotra ny fitadiavana asa, ary ny niafarany moa dia tsisy afa-tsy itony SSII itony sisa no nahazoako entretien. Zarako aza nahita ireny.

Nahita asa ihany aho ny farany, tamina SSII iray, ary faly be satria vonona ny handoa ilay vola be ilay orin'asa. Ny namako vahiny hafa tsinona izay nitady asa dia voatery ry zareo mihitsy no nandoa ilay vola be, nifanarahana tamin'ilay orin'asa ary hoesorina tsikelikely amin'ny karama vao manomboka miasa. Ela tokoa no niandrasako ilay autorisation de travail, ary 7 volana taty aoriana vao nahazo nanomboka niasa aho.

Nony tena nanomboka niasa anefa, gaga aho fa hay ve anarany fotsiny aho no mpiasan'ilay orin'asa, fa ny tena toeram-piasako dia any amin'ny orin'asa client hafa. Hoy ilay commercial tamiko: " Ndeha isika hanomana anao amin'ny entretien fa ho any amin'ny client isika rahampitso". Rehefa nifampidinika ny mombamomba ahy sy ny CV-ko izahay dia nanamboarany CV vaovao aho, ary vao nojereko dia gaga aho fa toa tsy izaho intsony ilay tao amin'ilay CV. Ny anarana teo mbola anarako ihany, sy ny fianarana nataoko koa, fa toa nitombo zavatra hafa be dia be sy trai-kefa tsy mbola hitan'ny voa-masoko akory ilay CV! Nanontany aho: "izaho anie tsy mahay an'ireo akory fa maninona no nataonao tao?"
- "Fa mbola tsy henonao angaha izany Java izany?"
- "Efa henoko fa projet kely tany am-pianarana fotsiny no nanaovako an'io, fa tsy mahay an'io aho raha asaina miasa amin'io"
- "Tsy maninona fa ataontsika hoe efa manana expériences amin'io anao."
- "Fa ny réseaux koa projet fotsiny no nataoko, fa tsy mahay izany HP Openview izany aho, fa efa tazako maso fotsiny"
- "Tsy maninona koa fa ataontsika hoe efa nampiasa an'io ianao"
Dia toy izany daholo tamin'ny ankabeazan'ny compétences nosoratany tao. Hanao entretien hono aho, dia raha manontany momba an'ireo ilay client dia inona no havaliko? Loza ity. Lasa haingana aho nody dia niari-tory nijery internet sy izay mba cahier-ko taloha misy ireo compétences tokony ho haiko hono. Farafaharatsiny aho mahalala ny ambangovangony vao matory hoy aho fa afa-baraka eo. Inona aza ity nidirako ity? Ny ampitson'iny moa dia soa fa tsy sarotiny ilay client, ary tsy dia mahay resaka teknika ny tena marina, ka tafavoaka velona tamin'ilay entretien aho. Ilay commercial amin'io no tena faly fa hahazo prime hono izy fa nahatafiditra ahy. Hanomboka hiasa amin'izay aho ity.

Orin'asa lehibe tokoa moa no tena niasako, ary "prestataires" hono no anaranay izay mpiasa avy any ivelan'ny orin'asa. Toa tsapako natao an-kilabao ihany aho tamin'izany, toy ireo prestataires hafa koa. Ny asa anefa toa mitovy tamin'ny nataon'ireo "internes" ireo ihany no nataoko, mihoatra aza, nanaraka ny leran'ny orin'asa ny fidirako sy ny firavako, sns. Nefa rehefa naheno ny resak'ireo lehibe-ko ao amin'ilay orin'asa aho, dia miresaka izy ireo momba anay "presta" ary asian'ireo numéro izahay. Gaga aho, hay ve izahay numéros no amidy amin'itony orin'asa itony e? Dia mba ohatrinona hono no amidiany anay? Niresaka tamin'ireo presta hafa aho, dia ny ankabeazany moa dia efa ela ela no tao amin'ilay orin'asa. "Vaovao ianao, hoy ny iray, matoa tsy mahalala hoe isika dia toy ny fitaovana amidy. Farafahakeliny in-3 na in-4 ny karamanao ny vidinao ato. Ny commercial-nao dia olona mpandainga sy mpivarotra no dikany. Ny tombony ihany no mi-interesser azy, fa izay hetahetam-ponao sy izay fiakaranao eo amin'ny asa tsy raharahiny. Mpivaro-kena ireo, ary ianao ilay hena varotany. Fa aza raharahiana izany fa ny anao vola sy fahaizana fotsiny koa no tadiavinao ato." Hoy aho hoe mba masiaka fiteny koa ilay zalahy ity, fa toa mba tsara fanahy ihany anie ilay Commercial e, na dia mpandainga tokoa aza. Taty aoriana moa izay aho vao tonga saina hoe misy maha-marina azy tokoa ilay nolazain'ilay bandy iny.

Tapitra hono ny "mission"-ko tao amin'ilay orin'asa lehibe. Nangataka ny hihaona tamiko ilay Commercial dia hoy izy: "Mbola mitady mission hafa ho anao izahay, fa inter-contrat ianao izao, ka voatery ianao maka vacances. Antsoinay ihany ianao rehefa misy entretien hafa any amin'ny client, fa aza vonoina mihitsy ny téléphone-nao." Izay izany, rehefa tsy misy client dia voatery maka congés. Ny tena moa avy any lavitra ary haka trai-kefa no naleha taty, ka tsy afaka nandà loatra aho, fa matahotra ny ho voaroaka fa zara aza nahita an'ity asa ity. Niandry ny antson-dry zareo tany an-trano moa izany no nataoko nandritr'ilay "vacances". Niantso ihany ilay Commercial afaka tapa-bolana fa nahita mission vaovao ho ahy hono izy. Dia niverina indray ilay resaka entretien sy CV namboarina be teo aloha...

Herin-taona taorian'ny nidirako tao amin'ilay SSII dia tonga ny e-mail hoe hisy ny entretien annuel. Efa zatra tamin'ny fiainana maha-"presta" ahy moa aho, ary efa be resaka tamin'ireo presta hafa koa. Natorotorony ahy teo ny mombamomban'ny asa, ny fiainan'ny presta, ny fomba angatahina fisondrotan-karama, sns. Efa nanomana kabary be aho tamin'izay hanamarinana ny fangatahiko fisondrotan-karama. Niantso anefa ny tao amin'ilay SSII fiasako hoe tsy misy olona afaka hanao entretien annuel amiko hono fa vao niala ny olona niandraikitra an'io, fa amin'ny manaraka izy hanome vaovao ihany, fa inona fotsiny ny zavatra tiako ambara dia resahina amin'ny téléphone fotsiny. Novaliako izy hoe "Izaho efa tsy te hiasa ato amin'ity client ity intsony fa mba te hiova zavatra hafa, ka raha mba mahita mission hafa ho ahy ianareo mba hiova aho. Sady izaho koa mba te hiresaka momba ny karama." "Hodinihako miaraka amin'ny direktera izany ary" hoy fotsiny izy. Volana maromaro taty aoriana mbola tsy nahare vaovao taminy mihitsy aho, fa toa nariany tany amin'ilay client. Nangataka fihaonana tamin'ilay direktera aho no niafarany, ary nony nifankahita taminy toa mody gaga izy, ary nahiliny tany amin'ilay Commercial indray ny baolina momba ilay mission. Ny fisondrontan-karama moa izany dia tsy nasiana resaka akory fa hoy izy fotsiny hoe sahirana ny orin'asa amin'izao fotoana izao dia izay. Kivy aho fa toa tena marina ilay nolazain'ilay presta niaraka tamiko taloha iny. Tapaka ny hevitro fa hiala aho fa toa voarirarira fotsiny. Raha orin'asa otry itony no andrasana dia lany andro eo aho hanantena fiakarana tsy hisy eo. Ny mission ho avy tsy hay hoe hanao ahoana. Tsy ho fantatra akory ny ampitso. Ny hany sisa nataoko dia nitady asa hafa, fa mba te hisondrotra koa aho.

Tsy nanao ny asako ara-dalàna intsony aho avy eo, fa nilaozako nitety internet indray nitady asa hafa, ary mahagaga fa vao napetrako tao amin'ireny site ireny ny CV-ko, tonga dia nifandrombaka ny olona niantso ahy. Izaho sisa no nisafidy hoe iza amin'ireto no alehako. Saingy SSII daholo koa ny ankabeazany. Raha mbola manan-tsafidy aho hoy aho dia tsy hitsofoka amin'ireny intsony. Efa nahazo trai-kefa aho na dia kely fotsiny aza, ary tsy horebireben'ireny intsony. Nivaly ny fitadiavana asako ary nahita asa tamina orin'asa tsy SSII aho.

Rehefa niharitra herin-taona sy tapany tao amin'ilay orin'asa namadika ny taratasiko aho dia nametraka fialàna.

mardi, octobre 24, 2006

Manimanina ny any aminay izaho ô, manimanina te hody....

Mampanontany tena sy mampieritreritra ihany indraindray ny zavatra miandry ny tena rehefa nanomboka manorim-ponenana aty am-pitan-dranomasina.
Ny nofinofiko fony izaho mbola mpianatra tany Antananarivo fahiny dia ny hoe hanohy fianarana any amin'izany an-dafy izany fa jerena ireo olona rehetra nahazo diplaoma vazaha toa nahazo toerana ambonimbony eo amin'ny fiaraha-monina avokoa. Rakoto lasa direkteran'orinasa lehibe, Rabe mpiandraikitra ambony amin'ny fanjakana, Randria nanangana ny orinasany manao itony "off-shore" itony, sns. Toa be vola izy ireo, manam-pahefana, manan-danja eo amin'ny fiainam-pirenena, voninahitry ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary tsiriritin'ny olona. Izaho koa mba te hitovy amin'i Ranona sy Ranona fa tapaka ny hevitro: izaho tsy maintsy hianatra any an-dafy!!!
Rehefa niezaka mafy sy nangataka fanampiana tamin'Andriamanitra sy tamin'ny fianakaviana dia tonga tokoa ilay nandrasana: nianatra tany an-dafy ary nahazo ny diplaoma vazaha nantenaina.
Nihalehibe anefa ity ny tena, ary nahazo ity aretina azon'ny ankabeazan'ny Malagasy aty an-dafy ity: tsy hody aho fa hijanona hiasa aty, haka trai-kefa sy hitady ravin'ahitra, ary rehefa mahangona dia hody any Madagasikara.
Nandroso ny taona, nandroso ny fiainana, toy ny fizotry ny fiainan'ny ankabeazan'ny olon-drehetra ny fiainako: niasa, nanambady, niteraka, ary dia nanorim-ponenana aty an-dafy tokoa aho. Niezaka aho ny tsy hanesorako hatrany ao an-dohako ilay tanjona efa nokendreko tany aloha: hody aho rehefa azoko izay tadiaviko aty an-dafy, dia ho lasa direktera be koa, na hanangana ny orinasako koa, sns...
Nandroso ny taona, toa tsy nampoiziko ny fiainana aty an-dafy. Hay ve tsy mora ny manangona, hay ve sarotra ny tsy hihaina toy ny vazaha, ao anatin'itony "société de consommation" itony: tsy maintsy manana aotomobilina, manofa trano lafo be, miantsena foana any amin'ny grandes surfaces, mijery lamaody sns. Hay ve betsaka ny sakana hiakarana amin'ny fiaraha-monina sy amin'ny asa aty an-dafy fa tsy vitan'izay hoe nianatra. Hay ve misy izany racisme izany, hay ve misy izany olana amin'ny taratasy sy polisy izany, hay ve misy ny olana hafa rehetra tsy nampoiziko hisy akory tamin'izaho tany Madagasikara. Hay ve sarobidy be ilay Fotoana ka na 5 minitra aza tsy azo lanilaniana "foana".
Toa sarotra be izy izany, vizaky ny vezivezy sy ny enjikenjika aho isan'andro, lavitry ny fianakaviako, toa very aty an-tany lavitra izahay telo mianaka kely, toa tsy fantatro intsony izay tadiaviko fa na ny fiainana kelinay isan'andro aza zary fahazarana sisa. Toa tsy mahita afa-tsy ny anio intsony aho, ary tsy sahy mieritreritra ny ampitso akory. Raha mivoaka ny trano, ny olona eny an-dalana toa malomaloka endrika mitovitovy amiko avokoa. Variana izahay, variana mitady ilay vola ka adinonay ilay atao hoe "fiainana".
Izao ve ilay fiainana notadiaviko? Sa izao no atao hoe manao "sacrifice"? Tsia, tsy izao kosa e! Nefa toa ilay fahazarana no nibahan-toerana, sy ny eritreritra hoe: "efa aty izao isika ka aleo mitady vola ary miaina toy ny vazaha, firifiry moa ny olona te ho ohatrantsika fa tsy afaka?" Ka dia namboarina ny saina, ary tapa-kevitra fa izay hampety ny fiainana aty an-dafy sisa no eritreretina, ny asa, ny vola, ny trano, fa izay ankoatry izay dia aleo ho hita eo indray andro any...
Nahazo téléphone avy any amin'ny zandriko any Madagasikara aho indray andro hoe marary mafy i Dada fa tongava. Tonga aho ary nalahelo mafy aho, sady tezitra tamin'ny tenako: firy taona izay tsy nahitako azy izay, ary efa marary ho faty ny raiko vao tonga hijery azy aho. Toa sambatra anefa izy nahita ahy alohan'ny nahalasany, ary teo vao tsapako fa ny Fitiavana sy ny fianakaviana no zavatra sarobidy indrindra. Nitazana an'Antananarivo aho sy ny vahoakany, ary taitra aho fa toa lasa fijerin'olon-kafa ny fijeriko: toa izao vao tena hitako ny fahantrana, nefa hitako amin'ny endriky ny olona koa toa fifaliana. Toa faly fa mbola velona, faly fa tafahoana, faly fa miresaka, faly fa mbola afaka miasa. Faly fa afaka miara-misakafo, mihinana masikita, mihirahira sy mandihy. Gaga aho sady toa nitsiriritra.
Hiverina any an-dafy aho, fa haiko amin'izay ny tena tiako ho tanjona: mifaly isan'andro amin'izay mbola andro sisa omen'Andriamanitra ahy, ary hiara-mifaly amin'ny fianakavianakeliko. Hifaly miaraka amin'ireo namako any an-dafy, hampifaly ny fianakaviako any Madagasikara, na dia antso amin'ny téléphone sy e-mail monja aza. Ary fantatro fa hody any Madagasikara aho indray andro any.
Tsy hitondra vola be aho any Madagasikara.Tsy ho direktera be any Madagasikara aho, tsy ho olona ambony eo amin'ny firenena, tsy ho sefo akoriny aza aho. Tsy te ho tsiriritin'ny olona aho noho ny harena sy ny voninahitra. Ny hany tanjoko izao dia ny Hihaina milamina, miaraka amin'ny fianakaviako sy ny namako, ary hiezaka ny hifaly hatrany. Hody izahay fa mbola tsy fantatra hoe rahoviana.